airtel

Sport

16-mai-2022

Sport

Rallye Motul andiany fahatelo Tahina sy Ranto no nivoaka ho mpandresy

Sample post image

Lasan’ny Subaru Impreza STI Vidy Varotra avy amin’ny klioban’ny ASACM, nentin’I Tahina Razafinjoelina sy Ranto Ramarokoto ny laharana voalohany tamin’ny andiany fahatelo amin’ny Rallye Motul , izay nifarana nifarana omaly.

16-mai-2022

Raha tsiahivina ny lalana ny sabotsy dia nitoraka niatsinanana tany Imerinkasinina sy . Nitohy omaly alahady izany ka nihazo an’Andakana sy Mahitsy amin’ny ilany andrefan’Antananarivo iny indray. Tamin’ireo ekipazy miisa 30 nandray anjara dia tody hatramin’ny farany tetsy amin’ny PC Sodiama Ankorondrano ny 18, izany hoe nahavita ny dingana manokana miisa 12. Tsara ho marihina fa nisy ireo fiara sokajiana fa tena matanjaka nandray anjara tamin’ity fifaninanana ity toa ny Peugeot 208 T16 nentin’i Rasoamaromaka Herilalaniana (Hery Be), izay governoran’ny faritra Analamanga moa sy ny Mitsubishi evolution 9 an’i Rajoelison Mamy.Nandray anjara tamin’ity Rallye Motul andiany fahatelo ihany ihany koa i Rakotojohary Tovohery na Tovonenn izay ben’ny tanànan’i Tanjombato nitondra fiara Clio.
J. Mirija

 

 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap