airtel

Sport

09-mai-2023

Sport

Rallye Motul Vory lanona ny andrarezina

Sample post image

Raikitra indray e ! Hanomboka ny taom-pilalaovana ny Rallye toy ny mahazatra ny klioba FMMSAM.

09-mai-2023

Zoma sy sabotsy ary alahady izao no fotoana nifanomezana miala eny amin'ny SODIAMA Ankorondrano ary mihazo ireo lalantany manodidina an'Antananarivo. Tsy mbola voafaritra mazava aloha fa sao misy mangalatra fiangana amin'ny fanazarantena fa hany fantatra dia ireo fiara 35 handray anjara . Fa na izay fotsiny aza dia efa ampy handrefesana fa tena hiady ny lalao. Ny tena baraingo aloha dia samy miandry izay afitsok'i Hery Be izay miaraka amin'i Lalah eo amin'ny familiana ny Peugeot 208 izay fiara nztokana hanaovana rallye. Fa toy ny mahazatra dia heverina fa hznohitra azy ireo Subaru ja voalohany amin'izany ny an'i Fred Rabekoto izay efa nasiana fanovana mba ahazo tanjaka. Mbola eo koa anefa ny Subaru izay entin'i Mathieu Andrianjafy sy ny heriny nahazoany ny anaram-bositra hoe Zaza Maditra Tena sahy izy aty tsotra ny ataony na tafita any aloha io na miala an-daharana Tsy misy afatsy izay ihany ho an'ity zanak'i Mamy Be izay nanjakazaka tamin'ny fotoanandrony niaraka tamin'ilay R12. Ny manaraka dia mbola Subaru ihany izay entin'i Tahina Razafinjoelina izay nisafidy amin'ity indray mandeha ity hiaraka amin'ny Rojo Roben. Tsy dia be teny izay i Tahina saingy tsy manaiky mora rehefa eny an- kianja. Ireo aloha no azo kilasina handrombaka ny amboara fa amin'ny maha Rallye azy dia tsy azo ambaniana velively ireo hafa toa an'i Mamy Kely izay lasa Little M moa fa ny fahaizany manamory mbola mipetraka na dia Citroën Saxo aza no entiny. Misy koa ireo maka tsirony toa an'i Freddy sy ny Isuzu D Max nefa tandremo fa raha mamotaka ny lalana dia ho sary hafa no avoakany amin'ity 4x4 ity. Amin'ny zoma izany no fotoana ho an'ireo mpankafy.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap