airtel

Sport

20-déc-2021

Sport

Rallye-Tompondakan’i Madagasikara Nobatain’i Mika sy Fafah ny fandresena

Sample post image

Voahosotra ho tompondakan’i Madagasikara tamin’ny Rallye CT Motors notontosaina ny faran’ny herinandro teo ny ekipazy Mika Rasoamaromaka sy Fabrice Rasata (Mika-Fafah).

20-déc-2021

 Nanao poa-droa izy ireo satria sady mandeha irery no tafiditra amin’ny dingana farany tamin’ny fiadiana ny tompondakam-pirenena ny Rallye CT Motors, izay nokarakarain’ny Klioba AMA. Nifampitady tanteraka izy ireo izay nitondra ilay fiara raitra sy matanjaka Peugeot 208 T16 sy ny ekipazy Frederic Rabekoto sy Mick Ratrimoarinosy (Freed-Mick), izay nitondra fiara Subaru Impreeza. Nifampizaran’izy ireo ny fe-potoana tsara indrindra tao anatin’ireo dingana manokana na ES miisa 11. SPORT AUTO – Mika Rasoamaromaka et Fabrice Rasata. Miisa 29 ireo nandray fiaingana, kanefa niala an-daharana avokoa ny 15 tamin’ity fifaninanana ity, ka isan’izany ry Mathieu Andrianjafy – Andry Tahina Rakotomalala (Mathieu-Andry Tahina).
Toky R


 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap