airtel

Sport

31-août-2021

Sport

Raoul – Filohan’ny FMF “Ny tantara no hitsara…”

Sample post image

“Mahay sy mahalala ny asany daholo ny mpiara-miasa eo anivon’ny FMF. Ny fitiavana no mibaiko miaraka amin’ny feon’ny fieritreretana ka sarotro ny hino fa misakana ny fandrosoan’ny baolina kitra Malagasy izy ireo.

31-août-2021

 Ankoatra ny maha asa azy, dia fitiavana sy fahafoizan-tena lehibe no manenika ny tontolon’ny asa ao. Mahereza ry mpiara-miasa, ny tantara no hitsara”, io no hafatra avy amin’ny Federasionina Malagasy misahana ny taranja baolina kitra tamin’ny alalan’ny Filohan’ny FMF Atoa Arizaka Rabekoto Raoul omaly takariva teo anatrehan’ny resabe omaly tontolo andro. Nisy ilay fandrahonana sy vava be nataon’ny Filoham-pirenena satria nosokajian’ity farany ho mpisompatra sy mpigafy ny FMF. Isan’ny voatonontonona teny amin’ny tambajotran-tserasera ny Sekretera Jeneralin’ny FMF, ary mazava ho azy fa isan’ny tsy levon’ny vavonin’ny Fitondrana hatramin’izay ny Filohan’ny FMF. Efa niaraha-nahalala rahateo ny tsy fifankahazoana teo amin’ny Filohan’ny FMF eo aloha Atoa Arizaka Rabekoto Raul izay naharesy ny kandida mpomba ny fitondrana tamin’ny fifidianana izay Filohan’ny Federasionina. Nambaran’ny Fanjakana taorian’izay fa nanodinkodim-bola tao amin’ny CNaPS, ka nenjehina, na nahazo amboara momba ny fahaiza-mitantana ny CNaPS aza ity farany tamin’ny fotoan’androny. Nitsoaka any ivelany, ary nambara fa namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena. Mbola misitraka tanteraka ny zo maha Filohan’ny FMF azy, ary nandritra ny fivoriamben’ny CAF andiany faha-43 natao tany Maroc ny 12 martsa 2021 lasa teo, niseho tsy tamin-tahotra. Toa miitatra hatrany kosa ny fifanenjehan’ny Fanjakana azy, izay mety hohamafisina ilay ambara fa didy fampisamborana iraisam-pirenena. Ny Filoha mihitsy no mijoro voalohany ho fahavalon’ity mpitsara ambony efa nitana andraikitra goavana teo anivon’ny CNaPS sady Filohan’ny FMF ity, raha tarafina amin’ilay fandrahonana sy kafara omaly. Tsara ho marihana fan a any ivelany aza amin’izao fotoana i Raoul Arizaka Rabekoto dia mbola filohan’ny FMF soamantsara ary araka ny filazany dia maharaka tsar any zava-misy eto Madagasikara izy ary nisy olona efa nomeny fahefana hisolo-tena azy eto Madagasikara mandra-piveriny eto.
Toky R sy J. Mirija

 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap