airtel

Sport

09-avril-2024

Ratchaburi FC

Miverina amin’ny heriny i Amada, mampanahy ny fahasalaman’i Njiva

Sample post image

Lalao miisa 3 nifanesy izay no isan’ireo 11 voalohany najoron’ny mpanazatra hatrany ny irakiraka

09-avril-2024

afovoany mpiaro malagasy, Ibrahim Amada, izay milalao ao amin’ny Ratchaburi FC, divizionina voalohany ao Thailand eo amin’ny taranja baolina kitra. Azo lazaina ho miverina amin’ny heriny i Amada ary namiratra nandritry ny fihaonan’ny Chonburi FC sy ity ekipany ny alahady teo. Nandresy an-jaridainan’olona tamin’ny isa 0 noho 1 moa ny RFC, baolina matin’ilay brezilianina, Mateus Lima Cruz, teo amin’ny minitra faha 10. Etsy ankilany dia mbola mampanahy ny fahasalaman’i Njiva Rakotoharimalala, izay lohalaharana malagasy nampidi-baolina betsaka indrindra tamin’ity Thai-league ity nialohan’ny ratra nahazo azy 2 volana lasa teo izay. Asa na hanao ahoana izy mirahalahy ireto amin’ny volana jona. Hanaiky ho antsoina ve sa tsia? Mety mbola ho voaantso amin’ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ko ave nefa sa tsia, indrindra, ity Njiva avy naratra ity? Heverina fa voatery tsy maintsy mijery paikady faharoa rahateo ny mpanazatra Romuald Rakotondrabe manoloana izao hotakotaka eo anivon’ny Federasionina malagasin’ny baolina kitra izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

07-févr-2025

Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys

Card image cap
06-févr-2025

Ny alahady teo no niala teto Madagasikara ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena

Card image cap