airtel

Sport

05-mars-2024

Ratchaburi FC

Samy mbola tsy salama i Njiva sy Amada

Sample post image

1 volana teo izay no tsy afa-nilalao ilay lohalaharana malagasy, 31 taona,

05-mars-2024

Njiva Rakotoharimalala, noho ny ratra nahazo azy. Mbola tsy tomombana ara-batana hatramin’izao ny lehilahy raha ny fampitam-baovaon’ny klioban’ny baolina kitra ilalaovany, Ratchaburi FC, ao Thailand. Taorian’ny ratra nahazo azy ihany koa, tapa-bolana lasa izay, dia mbola tsy mety tafiditra ao anaty lalao hatramin’izao ilay mpilalao afovoanin’ny kianja, Ibrahim Amada, 34 taona, na dia efa navela hisolo toerana nandritry ny 11 minitra aza ny alahady teo. Tsy nampidirin’ny mpanazatra tanaty lisitry ny mpisolo toerana akory indray anefa ity mpilalao malagasy ity nandritry ny lalao omaly izay nifanandrinan’izy ireo tamin’ny Trat FC. Samy mbola tsy salama i Njiva sy Amada, araka izany, aloha hatreto saingy hirariana na izany na tsy izany ny hiverenan’izy mirahalahy amin’ny heriny indray.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap