airtel

Sport

02-févr-2021

Sport

Rayan Raveloson Barea mamiratra indrindra

Sample post image

Loic Lapoussin, Alexandre Ramalingom, Hakim Abdallah, Hery Bastien ary Rayan Raveloson.

02-févr-2021

 

 

 

 

Ireo mpilalao Malagasy miisa 5 ireo amin’izao fotoana izao no heverin’ireo mpankafy fa tsikaritra ho mamiratra amin’ny klioba misy azy tsirairay avy. Mpilalao izay samy voaantso nanatevina ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na ny Barean’i Madagasikara farany teo avokoa moa izy ireo saingy heverina ho mamiratra indrindra amin’ny rehetra tamin’ity taom-pilalaovana ity kosa ilay irakiraka afovoany, Rayan Raveloson, milalao ao amin’ny Estac Troyes, divizionina faharoa frantsay. Nampidi-baolina teo amin’ny minitra faha 75 nanoloana ny AJ Auxerre indray izy ny sabotsy teo. Ary saika nandray anjara tamin’izany hatrany moa tato ho ato ankoatran’ireo tolotra tsy azo ivalozana nentiny izay mahatonga ny Estac hanafosafo ny Ligue 1 ankehitriny. 24 taona ny lehilahy ankehitriny, mirefy 1,82 metatra ary 73 kg, izany hoe manana hoavy mamiratra tanteraka ary vinavinaina ho voalohany amin’ireo Malagasy hivoatra amina klioba iraisam-pirenena goavana indrindra atsy ho atsy raha tsy sanatria hisy ny fingampingana sy sampona.

J. Mirija

Legende: Miha manana fahamatorana hatrany i Rayan

Dans la même rubrique

23-avril-2024

Efa mifefy voatemitra ny manodidina ny kianja etsy Mahamasina.

Card image cap
23-avril-2024

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

Card image cap
22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap