airtel

Sport

05-juin-2023

Sport

Rayan Raveloson Hiverina hilalao any amin’ny ligue 2

Sample post image

Taorian’ny faharesena an-jaridaina ny alin’ny sabotsy teo tamin’ny isa mazava 1 noho 3 dia rava hatreo ny fanantenan-dry Rayan Raveloson sy ny namany ao amin’ny A.J.

05-juin-2023

Auxerre hijanona amin’ny fifaninanana Uber eats ligue 1 frantsay. Hiverina hilalao any amin’ny ligue 2 indray, araka izany, ity irakiraka afovoany malagasy ity ho amin’ny taom-pilalaovana manaraka. 26 taona ankehitriny ny tovolahy ary heverina anefa fa mbola tena ao amin’ny tanjany tanteraka no sady namiratra hatrany na tao anatin’ny klioba misy azy na tao anatin’ny ekipam-pirenena malagasy dia ny Barea izany na dia tsy ampy nijanonany tao amin’izao fifaninanana lehibe indrindra eo amin’ny taranja baolina kitra ao Frantsa izao aza izany fahaizany izany. Hifindra klioba indray ve ny tovolahy sa mbola hijanona ato amin’ity ekipa nofidiany tao aorian’ny nialany tany amin’ny Galaxy Los Angeles tany Etazonia ity? Miandry ny mety ho fizotry ny tsenan’ny baolina kitra manaraka isika.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap