airtel

Sport

05-août-2021

Sport

Rayan Raveloson Namono baolina tsara indrindra tanaty MLS

Sample post image

Ny baolina matin’ilay malagasy, Rayan Raveloson, no voasalotra ho baolina maty tsara indrindra tamin’ity herinandro ity eo amin’ny fifaninanam-pirenena amerikanina eo amin’ny taranja baolina kitra

05-août-2021

, divizionina voalohany, na Major league soccer na MLS. Bisikileta teo amin’ny faha 27 minitra nilalaovana ny 31 jolay teo, raha tsiahivina, no nanokafany ny isa ho an’ny ekipany ao amin’ny Galaxy Los Angeles FC. Nandresy tamin’ny isa 4 noho 1 nanoloana ny Portland Timbers ny Galaxy tamin’io fotoana io. Ity irakiraka afovoany mpiaro Malagasy ity hatreto no azo lazaina ho mpilalaon’ny ekipam-pirenentsika namiratra indrindra tao anatin’izay 1 volana farany izay. Inoana fa ahita fampisehoana hahavelom-bolo azy tanteraka ny mpankafy Barea amin’ny volana septambra.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap