airtel

Sport

09-juil-2021

Sport

Rayan Raveloson Nampiditra ny baoliny voalohany tany Etazonia

Sample post image

Nampiditra ny baolina voalohany ho azy tany Etazonia omaly ny kintana Malagasin’ny Major league soccer vaovao, Rayan Raveloson,

09-juil-2021

 nandritry ny lalao faharoa niarahany tamin’ny ekipa divizionina voalohany Amerikanina Los Angeles Galaxy. Izy mihitsy no nahafaty ny baolina voalohany nahatonga ny LAG hitarika 1 noho 0 nanoloana an’i Dallas FC. Nifarana tamin’ny fandresen-dry Rayan tamin’ny isa 3 noho 1 moa ny lalao. Ankoatran’ny fahitana fa havanana amin’ny famonoana baolina amin’ny loha ity Barea ity dia tsikaritra ihany koa tao anatin’ireo lalao nataony fa mahazo aina ny tenany rehefa hampitanana ny toeran’ny vodilaharana afovoany na “defense central”, toerana izay notanany tany Frantsa rahateo io fony izy mbola tao amin’ny Estac Troyes. Misy mahita koa anefa fa tsy mifidy toerana hametrahana azy na koa hoe “polyvalent” anefa ny lehilahy satria hatrany hatrany dia ny toeran’ny irakiraka mpiaro afovoany na “milieu defensif” no nametrahana azy tato amin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra. Na izany aza dia hita ho mamiratra sy mitombo talenta hatrany ny lehilahy ao anatin’izao faha 24 taonany izao.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap