airtel

Sport

05-janv-2024

Rayan Raveloson sy Loïs Diony

An-dalana hiakatra divizionina voalohany

Sample post image

An-dalana hiakatra divizionina voalohany na ligue 1 Uber Eats ao anatin’ny

05-janv-2024

fifaninanam-pirenena frantsay ankehitriny ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea, Rayan Raveloson, 26 taona, sy ilay mpilalao frantsay izay heverina fa manana rà malagasy ihany koa, Loïs Diony, 31 taona, raha ny filaharana nandritry ny fifaninanam-pirenena ho an’ny divizionina faharoa na ligue 2, andro faha 19 farany teo no jerena. Ny klioban’i Angers Sporting Club de l'Ouest, izay misy an’i Loïs, moa no mitarika ny filaharana hatreto ary manana isa 40. Faharoa manaraka azy ao kosa ry Rayan sy ny A.J Auxerre, izay manana isa 38. Raha ny mikasika an’i Loïs Diony manokana dia azo lazaina ho mamiratra eo amin’ny toerana maha mpanafika azy amin’izao fotoana izao ny lehilahy ary heverina fa tsy tokony ho sarotra ihany koa ny handresy lahatra azy ho isan’ny Barea, raha ny taonan’ity mpilalao ity no jerena.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap