airtel

Sport

01-mars-2024

Rayan Raveloson sy ny Auxerre

Any amin’ny Ligue 1 ny ila-tongotra

Sample post image

Hiditra amin’ny andro faha 27 ankehitriny ny tompondakan’i Frantsa,

01-mars-2024

divizionina faharoa. Mitarika lavitra dia lavitra amin’ny isa 51 ry Rayan Raveloson sy ny ekipany dia AJ Auxerre, raha ny vokatra voaray tamin’iny andro faha 26 iny. Efa any amin’ny fifaninanam-pirenena Uber eats na Ligue 1, izany hoe, divizionina voalohan’ny fifaninanam-pirenena frantsay, araka izany, ankehitriny, ny ila-tongotry ry Rayan. Ny Angers no manaraka azy ireo ao amin’ny laharana faharoa amin’ny isa 46 ary ny StadeLavallois no faha 3, manana isa 44. Hatreto, mbola tsy nisedra faharesena ny AJ Auxerre saingy mila mailo ihany na izany na tsy izany aza mba hitazomana io laharana io.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap