airtel

Sport

23-avril-2024

Real≠Barcelone niteraka resabe

Miantso ny hamerenana ny lalao ny Catalans

Sample post image

Niteraka adihevitra eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra ny lalao nifanandrinan’ny Real de Madrid

23-avril-2024

sy ny FC Barcelone tao amin’ny kianjan’i Santiago Bernabéu ny alin’ny alahady teo. Nivoaka nandresy tamin’ny isa 3-2 ny mpampiantrano, saingy miteraka tsy fankasitrahana ho an’ny FC Barcelone sy ny mpanohana azy ny baolina izay tafiditr’i Lamine Yamal teo amin’ny faha-28 minitra, saingy nolavin’ny mpitsara ho mbola tsy nihoatra ny tsipika. Tsy misy rahateo ny fampiasana ny « goal line technology » eo anivon’ny Liga ka io no nentina nanehoana fa tsy voaporofo fa efa tena nihoatra ny tsipika ny baolina, raha toa ka manamafy ny ankilany, fa baolina efa tafiditra no noraisin’i Andriy Lunin. Nanamafy ny tsy fankasitrahany ny Filohan’ny FC Barcelone Joan Laporta, ary nangataka mihitsy ny hamerenana ny lalao. Miteraka fifampitsekerana goavana eo amin’ny tontolon’ny baolina kitra any Espagne eny fa na ho an’ny mpanaraka maneran-tany aza ity tranga ity, ka ao ny mandika azy ho « scandale » goavana, ary misy ny maneho ho fa tsy fahazakana resy. Taorian’iny fandresena nampiady hevitra azon’ny Real teo amin’ny andro 32 iny, dia mitarika mazava amin’ny isa 81 izy ireo ao anatin’ny Liga ary efa azo lazaina ho lasany ny tompondaka. Eo amin’ny laharana faha-2 kosa ny FC Barcelone izay manana isa 70. Henjana ny fahavoazan’ny Catalans satria vao ny herinandro nialoha an’io ihany koa ilay fifandonana nahararaka azy teo amin’ny ampahefa-dàlan’ny Champion’s League nanoloana ny sy Paris Saint Germain, izay niteraka fanasaziana henjana ny mpitsara noho ny fanapahan-kevitra voasokajy ho hafahafa, nanome karatra mena an’I Arauju sy ny mpanazatra Xavi Hernandez, antony lehibe nahararaka ny FC Barcelone.
Toky R
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap