Ny 16.17 ary 18 jona izay indray no fotoana ary efa hita mikarakara fatratra ireo mpandray anjara .Mbola samy hanaraka ny adin'ireo Subaru indray izany satria dia tsy maintsy ho tonga ireo sangany amin'ity familiana ity. Ao izany i Fred Rabekoto sy Mathieu Andrianjafy ary Tahina Razafinjoelina izay tena mifampitana hatramin'izao. Ny vaovao mahafaly anefa dia efa niteny koa ry Rasoamaromaka fa ho avy i Faniry hamily ilay biby be Peugeot 208 ary Mika kosa hiverina amin'ilay 206 WRC an'i Le Roi Lion. Samy matanjaka izany ny hifandona ary inoana fa efa nahazo traikefa tsara tany amin'ny Rallye Clio Terre tany Lafrantsa ireto zanaky ny Governoran'Analamanga, Hery Rasoamaromaka ireto. Heno fa mbola mety hisy fiara raitra ho avy koa eo saingy tsy miseho aloha ny hitondra an'izany. Mety koa anefa no mahavita fahagagana toy ny nataon'i Aro tamin'ny Rallye FMMSAM farany teo. Ary izay ilay lalao. Misy foana ny tsy ampoizina.
Clément RABARY
Taorian'ny nanehoany hevitra sy nilazany ny tsy mety raha ny mikasika ny fifidianana izay ho filohan'ny federasiona