tia tanindrazana

Parution du Vendredi, 2 Juin 2023

airtel

Sport

Romain Métanire Nisaraka tamin’ny Minnesota United FC

Namoaka ny lisitr’ireo mpilalaon’ny Minnesota United FC, klioba divizionina voalohan’ny baolina kitra ao Etazonia, izay tsy hanome azy ireo ny fifanarahana intsony ity klioba ity.

16-nov-2022

Sample post image

Anisan'izany tsy nomena fanavaozana fifanarahana izany intsony ny vodilahara malagasy, Romain Métanire, noho ny toe-pahasalamany sy ny ratra mahazo azy matetika nandritr’ireo taom-pilalaovana. Tonga avy any Reims, klioba divizionina faharoa frantsay izay nampiany ho an'ny anaram-boninahitra sy ny fidirana amin'ny diviziona voalohany tamin'ny taona 2017-2018, I Romain no avy eo nanatevin-daharana ny Loons na ity klioba amerikanina voalaza teo ity ny janoary 2019. Fifanarahana 2 taona miaraka amin'ny taona fanampiny azo atao moa no nandraisana azy tamin’izay fotoana izay. Nahatratra ny fara-tampony i Métanire nandritry ny taom-pilalaovan’ny Major league soccer na MLS 2019, izay fifaninanana goavana indrindra ao Etazonia eo amin’ny taranja baolina kitra, ka nahatafiditra azy tao amin'ny ekipa “MLS All Star” niaraka tamin'ireo kalazalahy toa an’ilay portogey, Luis Carlos Almeida na Nani sy ilay lohalaharana anglisy, Wayne Rooney. Nahavita lalao miisa 84 niaraka tamin'ny Minesota United ny vodilaharana malagasy. Nahafaty baolina iray izy ary nahavita nanome tolotra tsy azo ivalozana miisa 10. 32 taona ny lehilahy ankehitriny, mirefy 1,78 metatra, milanja 72 kilao. Hatreto dia mbola tsy fantatra aloha ny lalan-kizoran’ity nomen-drizareo bekintana anaram-bosotra hoe “The Machine” ity saingy hirariana kosa ny hahitany ny tsaratsara kokoa ho azy sy ny mahasoa. Nisaraka aloha izany iny izy sy ny Minnesota.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

Card image cap
Tsipy Kanetibe Mafy ireto Betafo ireto
02-juin-2023

Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.

Card image cap
Basket 3x3 Resin'ny Malagasy ny Frantsay
02-juin-2023

Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.

Card image cap
Roro Rakotondrabe « Izay Malagasy ao amin'ny heriny no horaisiko »
01-juin-2023

Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.

Card image cap
Basketball - Ankoay Brezila sy Frantsa indray ny anio
01-juin-2023

Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.

Voir plus