airtel

Sport

31-mars-2023

Sport

Roro Rakotondrabe "Miankina amin'ny teboka maromaro ny handraisako na tsia ny Barea A"

Sample post image

Ambeti-tenin'ny mpitia kitra ny anaran'i Roro Rakotondrabe taorian'iny fametraha-pialanan'i Nicolas Dupuis iny.

31-mars-2023

Mazava ho azy fa betsaka ireo maniry azy haka ny toerana saingy hatreto aloha dia toa mbola tsy mivonona amin'izany ny lehilahy. Jereo ange e !
Tia Tanindrazana: Betsaka ny maniry anao hitondra indray ny Barea fa ahoana tokoa moa ?
Roro Rakotondrabe : " Tena misaotra an'ireo olona manome fahatokisana ny tenako saingy tsy azo raisina mora toa izany ny raharaha satria hatramin'ny olona kely indrindra ka hatrany amin'ny Filoha Andry Rajoelina dia tena tia sy manao am-po ity baolina kitra ity. Na izany aza dia tsoriko fa miankina amin'ny teboka maro ny fandraisako na tsia izany andraikitra goavana izany.
Tia Tanindrazana: Mba azonao lazainy ve izany?
R.R. : Voalohany aloha mila fantatra ny tanjona ahatongavana satria raha ny eny an-kianja amin'izao dia tsy misy irika ny ahatafita antsika any amin'ny CAN any Cameroun amin'ny 2024. Azo atao kosa anefa ny resy am-boninahitra ka miezaka mandresy ny Ghana eto Mahamasina na ny mandresy ny Angola any antaniny toy ny nanaovan'ny SOE azy ireo tany Luanda."
Tia Tanindrazana: Ka manome toky ve ianao amin'ireo lalao roa ireo ?
R.R. : " Ny toky izany aloha sarotra homena raha tsy fantatra ny hoentimanana Aza adino fa na tsy tafita aza isika mila maka isa mba tsy hivarina kilasy hanao sava ranonando indray. Ary eo indrindra isika satria tsara fantarina aty amboalohany hoe hatraiza ny fahalalahana raha hanavao mba hijerena mpilalao Malagasy tena avo lenta afaka hifampitana aminn'ireo Afrikanina izay milalao any amin'ny klioba lehibe .Teo izao vao i Kondogbia irery izay irakiraky ny Atlético Madrid dia efa sahirana isika. Miankina betsaka amin'ny fanomanana koa anefa satria aza adino fa ambolana maromaro ny nanomanana iny CHAN iny eny fa na dia nananosarotra aza ny fampivondronana Mino aho anefa fa rehefa mitambatra ny hery rehetra dia ho lasa ity baolina kitra malagasy ity.
Légende : Mahitsy ary mazava ny resaky ny Coach Rôrô : « raha ny eny an-kianja amin'izao dia tsy misy irika ny ahatafita antsika any amin'ny CAN »
Nangonin'i Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap