airtel

Sport

18-sept-2023

Sport

Rugby- Africa Sevens Nangoron-damba ny Makis

Sample post image

Nosakanan’ny Burkinabe ny lalana ! Tsy tafita any amin'ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris ny Makis Malagasy.

18-sept-2023

Izay ny vokatra avy any Zimbabwe nandritry ny faran’ny herinandro teo. Nanao be fiavy anefa ny Makis tamin'ity taranja lalaovin'olona fito izay tarihin'ny mpanazatra Eric Chef. Nopotehiny 40 noho 5 ny avy any Côte d'Ivoire ary tsy nanana''ny Malagasy antra koa ny Tonizianina fa nofelahany mafy tamin'ny isa 43 noho 5. Saingy dia tapitra teo ny fampisehoana satria dia ny Afrika Atsimo no niray vondrona ka nataony nahita an'i Jakoba tamin'ny isa 35 noho 14. Tody teo aminlny ampahefa-dalana ihany fa dia nidona tamin'ny rindrina indray ry Sitraka sy ny namany. Resin'ny Zimbabwe tamin'ny isa 26 noho 10. Ary rehefa tsy nety toy izany izy dia nisy voay hatramin'ny ranovola. Efa nitarika 19 noho 10 ny Makis teo amin'ny fiadiana toerana saingy voan'ny donaka angamba fa dia nijanona teo ny isa fa i Burkina Faso indray no nandresy taminlny ora farany 24 noho 19. Tapitra teo izany ny nofinofy hoe handeha any Paris amin'ny Lalao Olaimpika. Tsy dia tena lavitra anefa fa amin'ny saina tsy miangatra dia tokony Afrika Atsimo sy Zimbabwe ary Namibia ihany no tokony ho eo alohantsika. Mila manampy kely fotsiny eo amin'ny vovokaina dia ho lasa. Ho sarotra anefa izany raha mbola misakafo ambany foitra. Tsy afaka manoatra anefa raha mbola sandaina telo arivo ariary ny kilaon'ny vary.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap