azon’i Maki Sevens na ny ekipam-pirenena malagasin’ny taranja rugby, sokajy lehilahy, nanoloana ny ekipam-pirenen’i Italia teo amin’ny lalao faharoa hoan’ny rugby HSBC Seven Dubai notanterahina ny sabotsy teo, raha ny fampitàm-baovao voaray. Niondrika tamin’ny isa 24 noho 00 nanoloana an’i Belgique kosa anefa izy ireo teo amin'ny lalao voalohany. Laharana fahadimy isika rehefa nandresy indray any 31-22 tamin’ny fiadian-toerana, taorian’ny fandresena 26-10 an’i Colombie tamin’ny manasa-dalana nahafahana niatrika ny fiadiana ny laharana faha-5. Azo lazaina ho miha mivelatra sy mametraka ny maha izy azy hatrany na izany aza ny rugby malagasy, indrindra, ity natao ho lalaovin’olona miisa 7 ity, raha ny nafitsoky ny Maki Sevens, sokajy lehilahy, sy ny Ladyes Maki, sokajy vehivavy, tato anatin’ny 3 taona farany no asian-teny. Irariana hatrany ihany koa, etsy ankilany, ny hahafahan’ny ekipam-pirenena mandray anjara amina fifaninanana iraisampirenena mampifanena amina ekipa goavana toy itony mba ivoarana hatrany.
J. Mirija