airtel

Sport

08-juil-2024

Rugby lalaovin' olona 7

Hiatrika ny tompon-daka eran-tany ny Makis

Sample post image

Tena mafy ireto Makis olona 7 ireto. Nandray anjara tamin'ny fifaninana tatsy amin'ny

08-juil-2024

nosy Maorisy ireo Makis ary nifarana omaly izany. Vokatra tena tsara no azo satria dia tompodaka lefitra eto Afrika ny Malagasy raha ny Ouganda no mitana ny lohalaharana. Tafita any amin'ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany hatao any Dubaï ny volana janoary 2025 izao izany ny Makis. Na dia mbola tsy fantatra aza izay ho vokatra azo dia azo lazaina sahady fa fahombiazana ho an'ny rugby eto Madagasikara izao. Inoana marimarina kokoa fa hanao tsy omby aloha indray ireo mpanohana miampy mazava ho azy ireo sakaizan'ny mpandresy. Tsy maninona izany fa raha dieny izao dia efa miomana dia inoana fa hihatsara hatrany ny vokatra. Mandra-piandry aloha dia ity ny filaharana nandritra ny fiodinana faharoa izay mametraka ny Malagasy eo amin'ny laharana fahatelo saingy rehefa natambatra amin'ny fiodinana voalohany dia lasa faharoa ny Makis. Afaka nandrafesana ny dingana vita anefa ity vokatra tany Maorisy ity.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap