airtel

Sport

01-juil-2021

Sport

Rugby Malagasy Nirodorodo any ivelany hihaza amboara

Sample post image

Nanainga omaly Alarobia 30 jona 2021 ireo ekipam-pirenena Malagasy eo amin’ny taranja rugby izay ahitana ekipa telo.

01-juil-2021

 

 Miisa 83 ny mandrafitra ny delegasiona Malagasy ahitana mpilalao miisa 73, mpitabo 3, mpanazatra 3, lehiben'ny delegasiona 3, ary mpitsara 1. Nihazo an’i Côte d’Ivoire ny Makis sokajy lehilahy izay hiatrika ny lalao fifanintsanana hiadiana izay ho tompondaka erantany ho atao any Frantsa ny taona 2023. Nihazo an’i Kenya hiatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika kosa ny Makis sokajy Vehivavy sy ny Makis U20 sokajy Lehilahy. Nialoha ny fiaingana dia tonga nankahery sy nitso-drano ny Makis an'i Madagasikara tetsy amin’ny Kianja Maki Andohatapenaka ary nanome vatsin-dalana ny Minisitry ny Tanora sy Fanatanjahantena Tinoka Roberto. “Tokana ny tanjona dia ny handrombaka ny amboara mba hamerenana ny hambopom-pirenena amin’ny alalan’ny Fanatanjahantena”, hoy ny Minisitra.

Nangonin’i Jean D.

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap