airtel

Sport

10-mai-2024

Rugby

Tafita ho any Durban ny Ladies Makis

Sample post image

Saika ratsy fa dia tafita hiady ny Amboara eran-tany amin'ny diviziona fahatelo (WR XI 3) ihany ny

10-mai-2024

Ladies Makis raha nandresy 12 noho 5 ny Cameroun ny alarobia teo tetsy Andohatapenaka. Tsy tahaka ny tamin'ny fihaonana nanoloana ny Kenya fa tonga dia tafiditra ny Ladies Makis ary notsindrian'i Erica teo amin'ny H ny baolina ary voatsara.Nijanona teo amin'io isa io elaela ny lalao ary taty aorina vao nahatsindry baolina ny Cameroun ka tafaporitsaka tao anaty tangorona.Taty amin'ny fizaram-potoana faharoa vao nanindry baolina iray ny Ladies Makis saingy tsy voatsara dia nahatonga io isa 12 sy 5 farany io.Ampy hahatafita an'i Fenitra be sy ireo namany any Durban, any Afrika Atsimo anefa izany satria aleo tsy eritreretina izay hanjo ny Makis manoloana ny Springbok Afrika Atsimo. Nataony nahita indray koa mantsy i Kenya ny alarobia ka tsy nijanona izy ireo raha tsy 58 noho 5.Azo refesina amin'izay ny elanelana misy amin'ny Afrika Atsimo sy ny firenena hafa.Misy aza teny Andohatapenaka tamin'ny alarobia no miteny hoe ka na ny Makis lehilahy aza ve tsy atahorana manoloana ireto Springbok ireto ? Aoka kosa nama a !
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique