airtel

Sport

30-oct-2023

Rugby_Tompondaka eran-tany

Lasan'ny Afrika Atsimo ny Amboara

Sample post image

Tontosa ny sabotsy teo tany Paris ny fiadiana izay ho tompondaka eran-tany eo amin'ny rugby.

30-oct-2023

Nivoaka mpandresy ny Springboks Afrikanina Atsimo nanoloana ny All Blacks amin'ny isa 12 noho 11. Isa kely satria samy mafy fiarovan-tena ny Tia tonta. Tsy nahay nanararaotra ihany koa anefa i Nouvelle-Zélande satria vao minitra vitsy dia nivoaka noho ny ratra i Bonambi, ilay andrarezin'i Afrika Atsimo. Mbola nahazo karatra mavo koa ny kapiteniny fa rehefa tsy mety izay dia ny ranovola aza misy voay. Izay no azo hanazavana ireo baolina telo nodakana nefa tsy matin'ny All Blacks. Na izany aza mirehareha ny kaontinanta Afrika iray manontolo taorinan'ny iny fandresena faninefany an'ny Springboks iny raha telo kosa ny an'ny All Blacks.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

23-mai-2025

Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny

Card image cap