airtel

Sport

11-oct-2021

Sport

Rugby – Top 20 Nandravarava ny ekipan’Ambalavao Isotry

Sample post image

Montsan’ny 3FAI Ambalavao Isotry tamin’ny isa mazava 39 noho 13 ny ekipan’i FTA Andavamamba omaly nandritry ny fifaninanam-pirenena eo amin’ny taranja Rugby na « Championnat de Madagascar federal 1 »,

11-oct-2021

 izany hoe, teo amin’ny andro faha 4 amin’ny Top 20. Azo lazaina ho tena nandravarava ny ekipan’Ambalavao tamin’ity lalao omaly ity ary nanidy tanteraka ny lalaon’ny FTA. Tetsy ankilany dia nampianatra ny UASC Rugby ihany koa ny ekipan’ny kaominin’Antananarivo renivohitra na ny USCAR satria dia montsan’izy ireo tamin’ny isa 34 noho 16 ny mpifanandrina taminy. Tontosa omaly koa moa ankoatran’ireo ny fihaonana teo amin’ny SCB sy XV FA ka nivoaka mpandresy tamin’ny isa 29 noho 19 ny SCB. Azo lazaina ho moka foy kosa no nandresen’ny USA Ankadifotsy ny FTBA Andohatapenaka tamin’ny isa 22 noho 18.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap