airtel

Sport

06-juil-2022

Sport

Sebastien, efa mpilalaon’ny Barea zandriny Vao 21 taona monja dia lavo noho ny famoizam-po

Sample post image

Misaona indray ny sehatry ny baolina kitra Malagasy. Nodimandry teo amin’ny faha-21 taonany ny alatsinainy teo i Sebastien Daniel Ralandiranto,

06-juil-2022

anisan’ny mpilalao nandrafitra ny Barea Académie, isan’ny novolavolain’i Maître Rôrô na Rakotondraibe Romuald teny Carion nandritra ny volana maro fony isika nanomana ny CAN U17 ny taona 2017, ka irakiraka ny toerana nanavanana azy. Efa mpilalaon’ny Barea U17 izy, efa nandrafitra ny Barea ihany U20 taona ihany koa. Efa nandalo tao amin’ny Sekolin’ny baolina kitra an’ny Elgeco Plus ary nandrafitra ny sokajy zandriny tao amin’io klioba io, fotoana isan’ny tena nahalalana azy. Nilalao tao amin’ny ekipan’ny Requin Bleu sokajy D1 teto Analamanga tao anatin’ny taom-pilalaovana roa nisesy. Mpilalao tsotra sy tsy dia be teny loatra I Sebastien, kanefa tena mahomby sy manan-talenta, hoy ireo namany. Voasokajy ho isan’ny mpilalao hanana ny hoaviny eo amin’ny sehatry ny baolina kitra, saingy nindaosin’ny fahafatesana teo amin’ny faha-21 taonany monja. Voalaza fa tena nisy akony goavana teo amin’ny fiainany ny fahafatesan’ny reniny hany mba nianteherany vao iray volana latsaka izay. Nanampy trotraka izany anefa ny olana ara-panambadiana, raha ny fitantaran’ireo mahafantatra azy, ka nitarika tany amin’ny famoizam-po ho azy. Voalaza mantsy fa namono tena irery tao an-tranony i Sebastien, araka ny vaovao niparitaka omaly, izany hoe: resaka famoizam-po no isan’ny nahalavo azy. Mirary fiononana feno ho an’ny fianankaviany sy ny tontolon’ny kitra Malagasy isika eto amin’ny Tia Tanindrazana.
Toky R
 

Dans la même rubrique

28-mars-2024

Andro vitsivitsy aty aoriana sy ho setrin'ireo fanakianana mivaivay dia nivoatra ny fahanginany ny mpanazatra ny Barea,

Card image cap
28-mars-2024

Vaky ihany ny resaka na nafenina mafy aza. Talohan'ny hiakatra kianja hihaona amin'ny Rwanda

Card image cap
27-mars-2024

Misy odi-potsy angaha ity kianja ity, hoy ny vazivazin’ny mpankafy baolina kitra ny

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap
27-mars-2024

Lasa resabe iny faharesen'ny Barea nanoloana an’i Rwanda iny.

Card image cap