airtel

Sport

03-mai-2022

Sport

Siteny Randrianasoloniaiko Avereno ireo « dojo » noravaina tao Mahamasina

Sample post image

« Mila averina malaky ny « dojo » noravaina rehetra ao Mahamasina, araka ny fanehoan-kevitry ny Filohan’ny Komity Olaimpika Malagasy (COM) Atoa Siteny Randrianasoloniaiko ny faran’ny herinandro teo.

03-mai-2022

« Taorian’ny tatitra rehetra (rapport moral, activité, financier) dia anisan’ny noresahako nandritra ny fivoriamben’ny COM ny mikasika ny fotodrafitr’asa ao amon’ny kianjaben’i Mahamasina. Nandritra ny asa fanamboarana dia rava daholo ny « dojos nationaux » tao ambany « gradins » ka hatreto dia tsy manana intsony ny taranja karaté, boxe, boxe savate, kickboxing,… », hoy izy. Toy izany ihany koa ny an’ny taranja fibatana fonjam-by na “haltérophilie », ny basket, ny tennis de table,... Na ny “salle de musculation” koa aza dia nambarany fa tsy misy intsony ao Mahamasina. Afaka herintaona anefa dia hampiantrano ny Lalaon’ny Nosy isika Malagasy, ary efa nilaza rahateo ny Fanjakana tamin’ny alalan’ny Minisitry ny fanatanjahantena, fa ao Mahamasina no hanaovana ny lanonam-panokafana sy famaranana ny Lalaon’ny Nosy, raha toa ka nolazaina tany am-boalohany fa any amin’ny Tanamasoandro Imerintsiatosika no hanaovana ny lalao. Ny kitra sy ny tsipy kanetibe ihany sisa no manana toeram-pilalaovana ao Mahamasina fa ireo taranja voalaza ireo dia adinon’ny tompon’andraikitra tanteraka, raha ny fanamarihan’ny Filohan’ny COM. « Indrisy fa talohan’ny nikitihana an’io kianjaben’i Mahamasina io dia tsy mba nisy fakan-kevitra nataon’izy ireo tamin’ny COM sy ireo federasiona voakasika. Mitaky fanapahan-kevitra malaky izahay mpanao fanatanjahan-tena” hoy i Siteny Randrianasoloniaiko.

Toky R
 

 

Dans la même rubrique

22-avril-2024

Eo amin'ny kihon-dalana ny tantaranny Ladies Makis. Ho fantratra ny 4 ka hatramin'ny 12 may

Card image cap
22-avril-2024

Nanaitra ny maro ny fanambaran'ny Filohan'ny federasiona, Alfred Randriamanampisoa,

Card image cap
22-avril-2024

Ratsy ny vokatra tato ho ato ho an’ny AJ Auxerre misy an’ilay mpilalao Malagasy Rayan Raveloson,

Card image cap
19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap