manodina kapila na DJ-ing mitondra ny anarana hoe «Smatchin DJ contest», raha ny vokatra voaray ny alahady teo tao amin’ny Canal Olympia moa izany. Isan’ny nanana solontena nandray anjara tamin’izy io ireo oniversite miankina sy tsy miankina amin’ny fanjakana toy ny IT University sy ny Oniversite Andrainjato Fianarantsoa na UAF. Samy tafakatra avokoa ny solontenan’ireto oniversite voalaza teo ireto. I Mika kely ho an’ny ITU ary Rason Ony Giovanni ho an’ny UAF. Ity farany moa dia tsy iza ihany koa fa zanaky ny mpiara-miasa eto amin’ny vondron’orinasa Onet group international, izay misy ny gazety Tia tanindrazana ihany. Manaraka fiofanana izy 15 mianadahy ireto amin’izao fotoana izao mandra-pahatongan’ny dingana manaraka ho atao etsy amin’ny kianja mitafon’i Mahamasina, raha ny fampitam-baovao voaray hatrany.
J. Mirija
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny