airtel

Sport

18-mars-2024

Soirée Barea

Atao fitoavana itadiavam-bola indray ny ekipam-pirenena ?

Sample post image

Mampametra-panontaniana hatramin’ny sabotsy teo hoe ho atao inona?

18-mars-2024

Inona no tanjona aminy? Hitadiavam-bola mihoam-pampana, raha ny fampahafantarana niparitaka hatramin’ny sabotsy teo ny hetsika momba ny Barea na «Soirée Barea». Ny sary famantarana ny federasionina malagasin’ny baolina kitra moa no eo an-tendron’ny fampahafantarany ity hetsika voalaza fa ho atao ny sabotsy 23 martsa 2024 izao eny amin’ny CCI Ivato ity. 200.000 Ariary ny saram-pandraisana anjara ho an’ireo fanasana tsotra. 500.000 Ariary ho an’ireo VIP na tenenin’ny malagasy mahazatra hoe «manan-kaja» ary 1.000.000 Ariary ho an’ireo «manan-kaja ambony» na VVIP, raha ny fampahafantarana hita hatrany. Ny hirariana moa izany dia ny hoe mba hitondrana fanampiana goavana mankany amin’ny fahombiazan’ilay ekipam-pirenena na ny Barean’i Madagasikara tokoa itony hetsika itony fa tsy sanatria ho fitaovana hamenoana ny paosin’ireo mpitantana ny federasionina fotsiny ka sady tsy hahatafakatra ny Barea any amin’ny tompondaka eran-tany no mbola tsy hahatonga antsika koa any amin’ny tompondakan’i Afrika na CAN manaraka eo. Nisy fotoana mantsy efa nitaraina ireo mpilalao toa ny kapiteny teo aloha Faneva Ima fa tsy nahazo ny vola tokony ho azony tamin’ny fandresena azony ireo mpilalaon’ny ekipam-pirenena.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap