airtel

Sport

19-juin-2024

Solofo Tsiahavahana Ramarolahy

Lasa mpanazatra ny ekipan'i Seychelles amin’ny Beach soccer

Sample post image

Ny mahay tsy mba very mandeha. Mpanazatra ny ekipan’ny Anse Réunion

19-juin-2024

baolina kitra no niandohan'i Solofo Tsiahavahana Ramarolahy satria dia voafehiny io taranja io. Saingy mbola hainy kokoa ny beach soccer izay nentiny lasa tompondakan'i Afrika ary nandray anjara tamin'ny Mondial tany Portugal. Zava-bita tena tsara izany nefa ny mahagaga fa noesorin'ny federasiona izy. Miova sata miova andriana tokoa angamba sa noho izy akaiky ny filoha Ahmad teo aloha. Izao izy rehefa tsy tiana dia lasa mitondra ny ekipam-pirenenan'i Seychelles miaraka amin'i Nahoda ilay mpilalaon'ny FC BFV teo aloha sy ny Scorpions. Mazava ho azy fa ilaina i Solofo Tsiahavahana Ramarolahy noho ny traikefany ary raha manana fotoana sy fitaovana araka izay ilainy izy dia mety ho tena mafy i Seychelles. Mba hanao ahoana izany ny hiseho raha hidona amin'ny Barea ? Mety ho hafahafa ihany satria fantany ohatra ny paosiny ireo mpilalao malagasy ka tsy ho sarotra aminy ny fomba hitazomany ireo. Na ireo mpanazatra ny Barea amin'izao aza dia mbola ireo nampianariny daholo. Izao efa mety ny fiainany any Seychelles ary mety tsara hatramin'ny karamany aza dia tsy maintsy hanao izay mety izy hitondra ity ekipam-pirenena Seychelles ity. Any Afrika izany mihaona.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

14-mars-2025

Tanterahana manomboka anio hatramin’ny alahady 16 martsa izao any Thailande

Card image cap
14-mars-2025

Nampahafantarina tamin’ny fomba ofisialy moa iny ireo mpilalao miisa 26 voaantso

Card image cap
13-mars-2025

10 taona aty aoriana, voaantso handrafitra ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra

Card image cap
13-mars-2025

Nivoaka omaly ny anaran'ireo mpilalao handrafitra n'y Barea hihaona amin'ny Ghana s'y Centrafrique any Maroc

Card image cap