airtel

Sport

22-janv-2025

Taorian’ny olana maro tany ivelany

Hiverina hilalao ao amin’ny CFFA Rakool

Sample post image

Hiverina hilalao eto Madagasikara ao amin'ny CFFA Andoharanofotsy indray i Razafindranaivo Koloina

22-janv-2025

na Rakool taorian’ny olana sy sedra samihafa natrehany tany ivelan’i Madagasikara. Raha hiverenana, ny CHAN 2022 izay nampisongadina ny Barea A’ no nampamiratra azy. Novidian’ny Klioba Mouloudia Alger ao Algerie ny janoary 2023. Nohamaivanin’ny klioba sy tsy dia nahazo lalao firy, ary notapahan’io klioba io an-keriny teny antenantenany ny fifanarahana izay tokony ho ny 2026 vao tapitra. Nifindra tany Frantsa, nilalao tamin’ny Kloban’ny Arles FC Regional 1 na D6. Ny aogositra 2024 anefa, niparitaka ny vaovao nilaza fa misedra olana i Rakool. Tapitra ny fe-potoana nilalaovany tao amin'ny Arles ka tsy mbola nahita klioba vaovao izy. Tsy afaka nanohy nilalao tany France nefa izy noho ny olana ara-taratasy. "Rehefa mandefa mpilalao any ivelany ianareo dia araho hatramin'ny farany izy fa tsy hoe vao azo ny vola dia avela irery izy.", hoy ny ny Kapitenin’ny Barean’i Madagasikara teo aloha Faneva Ima tamin’izany fotoana. Miverina eto an-tànana, maka aim-bao mba hahafahana miatrika fanamby vaovao indray izany Rakool manomboka eto, na mety henjakenjana ihany aza ny mieritreritra an’ilay tsy maintsy fodiana eto an-tanàna. Inoana anefa fa nahazoany lesona sy hahafahany manatsara kokoa ka hikirizany hatrany ho lasa lavitra ny sedra niainany. Mba naka lesona tamin’ny toe-javatra nahazo ity mpilalao Malagasy ity sy ireo hafa mety lasibatra toa azy kosa ve ny Mpitantana ny baolina kitra isan’ambaratongany eto amintsika ?
Toky R

 

Dans la même rubrique

30-mai-2025

Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,

Card image cap