airtel

Sport

23-mai-2024

Tapa-bolana tsy hihaonana amin’i Kaomoro

Miha mipoitra ny disadisam-pitantanana ny Barea

Sample post image

Tapa-bolana tsy hihaonana amin’ny ekipam-pirenena kaomorianina eo amin’ny taranja baolina kitra

23-mai-2024

no miha mipoitra hatrany ankehitriny fa misy disadisa teo amin’ny fitantanana ny ekipam-pirenena malagasy na Barea ao anatin’izao fiomanana amin’ny fiatrehana ny tohin’ny fifanintsanana ho any amin’ny tompondaka eran-tany amin’ny taona 2026 izao. Teo moa ny resaka fankasitrahana na «prime» ho an’ireo mpilalao fa isan’ny nanaitra ireo mpankafy baolina kitra malagasy koa omaly ny fanehoan-kevitry ny isan’ireo mpitantana na STAFF teo aloha, Lalaina Nomenjanahary na Bolida, mikasika izay zava-misy izay tao amin’ny tambazotran-tseraserany na dia tsy nivantana aza. Mpiatsaraivelantsihy, hoy ity lohalaharan’ny Barea teo aloha ity. Tsory, hoy izy, ny marina fa aza mandainga lava eo. Zakao ny vokany, hoy ihany izy! Nilaza moa ny mpanazatra ny Barea, Romuald Rakotondrabe na Rôrô, fa tsy avy aminy no antony nialan’i Bolida tsy ho isan’ireo STAFF anatin’ny ekipam-pirenena intsony. Ny 7 jona izao, raha tsiahivina, no handray ny lalao mandroso izay tokony hampiantranoantsika, saingy voatery atao any an-tanin’olona, manoloana ny ekipam-pirenen’i Kaomoro ny Barean’i Madagasikara. Irariana, noho izany, mba ho voavaha ara-potoana ny olana rehetra, fa indrindra, tsy hisy fiantraikany ratsy amin’ireo mpilalao malagasy.
J. Mirija

 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap