airtel

Sport

06-févr-2024

Tapakilan’ny lalao olaimpika

Mbola tsara toerana i Laura Rasoanaivo

Sample post image

Taorian’ny faharesena tao anatin’ny Grand Slam de Paris nanoloana

06-févr-2024

ilay Frantsay Florine Soula, dia manohy ny fanovozana traikefa amin’ny fandraisan’anjara amin’ilay Training Camp International karakarain’ny Federasionina Frantsay eo amin’ny taranja judo i Laura Rasoanaivo. Ireo sangany maneran-tany amin’io taranja io no miatrika an’izany mandritra ny 4 andro ao amin’ny Ivon-toeram-pirenena momba ny judoa any Frantsa. Aorian’ny any Paris, dia hiazo an’i Dunavarsany any Hongrie ihany koa i Lura Rasoanaivo, ary hijanona 3 volana any amin’ny Foibe olaimpikan’ny Federasionina iraisam-pirenena. Voafaritra ihany koa anefa, fa hiatrika ny lalao Afrikanina amin’ny volana martsa sy ny fiadiana ny tompodakan’i Afrika Seniors amin’ny volana aprily i Laura Rasoanaivo. Tsara toerana hatrany amin’ny filaharana amin’ny lisitra olaimpika i Laura Rasoanaivo, raha ny ambaran’ny federasionina Malagasy. Laharana faha-4 amin’ny 12 eo amin’ny fifanintsanana kaontinantaly izy amin’izao, ary manana isa 1067. Ho an’i Afrika dia voalaza fa 12 avy na ho an’ny lahy na ho an’ny vavy ny « quota » isaky ny sokajy, afaka ny handray anjara amin’ny lalao olaimpika any Paris.
Nangonin’i Toky R
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap