airtel

Sport

09-janv-2024

Taranja ady totohondry

Kasaina hatao eto ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika

Sample post image

Hitohy hisesisesy ny fifaninanana eo amin’ny taranja ady totohondry rehefa

09-janv-2024

mitsahatra ity orana ity, hoy ny filohan’ny federasionin’ny taranja ady totohondry, Hery Mamy Rabarisoa. Amin’ny volana aogositra ny tompondaka nasionaly, hoy izy. Amin’ny martsa ny fifanintsanan’ny lalao olaimpika any Italia. Mandray anjara izahay. Mandray anjara koa amin’ny dingana faharoa na “2é phase” any Thailand. Rehefa tsy tafakatra atsy dia mba tafita aty. Mba mangataka ny fanampian’ny komity olaimpika amin’izay. Hanavaozana ny ekipam-pirenena io tompondaka nasionaly io. Eo am-panaovana taratasy izahay izao ho an’ny 2025 handray ny tompondakan’i Afrika, sokajy vehivavy, ho atao aty Madagasikara. Nanatrika ny kaongresin’ny IBA tany Dobay ny tenako ny 7 desambra 2023. Vonon-kanohana antsika amin’izany ireo namana afrikanina. Heverina, noho izany, ny hanaovana ezaka hahafahantsika mandray ny tompondakan’i Afrika lahy sy vavy eto Madagasikara amin’izay 2025 izay. Anaty fifanankalozan-kevitra amin’ny minisitera aloha mialohan’ny andefasana taratasy any amin’ny AFBC Afrique. Tanjona ankoatran’izay ny hametrahana akademian’ny ady totohondry eto Madagasikara hatramin’ny taona 2028. Anjarantsika no mijery ny toerana dia mandefa matihanina iraisampirenena aty ny any ivelany hijery azy. Tsy i Madagasikara irery tsinona no ho ao anatin’io fa mety ny aty amin’ny ranomasimbe indianina manontolo. Niteny moa ny AIBC na ny federasionina iraisampirenena hoe mbola mitohy ny filankevitra olaimpika mikasika ny ady totohondry malagasy. Tsy mbola asiana fifidianana aloha raha tsy voadinika ny zava-misy rehetra, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap