airtel

Sport

18-mars-2024

Taranja lomano

Miha miverina amin’ny heriny ny « Club natation » ESCA

Sample post image

Ny klioba lomano na «club natation» ESCA dia klioba ato amin’ny

18-mars-2024

sekoly ESCA izay mamolavola mpilomano hisolo tena ny sekoly rehefa misy fifaninanana karakarain’ny federasionin’ity taranja ity na ligy na klioba hafa, hoy ny filohan’ny klioba, Olivia Rakoto. Mifandray na «affilié» amin’ny federasionina sy ligin’ny lomano Analamanga izahay, hoy izy. Isaky ny fiafaran’ny taom-pilalaovana toy izao, hoy izy, tetsy amin’ny toeram-pilomanosan’ny sekoly etsy Antanimena ny sabotsy teo, dia mikarakara fifaninanana ho an’ny mpianatry ny ESCA izahay. Manomboka amin’ny kilasy faha 12 na «12ème» hatramin’ny kilasy ambony io. Hijerena ifotony ireo ankizy handrafitra ny klioba lomano ato amin’ny ESCA io fifaninanana io. Tena taranja iray anaty fandaharam-pianarana ato amin’ny ESCA ny taranja lomano ka hanomezana fampirisihina izay miezaka amin’izany koa, noho izany, ny fifaninanana toy izao. Nanohana ny hetsika moa ny Nutrizaza, izay nanolotra fanomezana ho an’ireo ambaratonga fototra na «primaire» sy ny vondrona Bason, izay nanolotra fanalana hetaheta sy abobo fisotro na «yaourt à boire» ho an’ny rehetra ary ny Eau vive izay nanolotra rano ho an’ireo mahazo medaly. 350 no isan’ireo mpifaninana fa 180 no hahazo fankasitrahana, izany hoe mahazo medaly avokoa ireo 3 voalohany. Nisy fotoana efa maty ny klioba lomanon’ny ESCA. 4 taona izay izahay no niezaka namerina ilay anarana. Tena tsara ny vokatra satria hita ho niakatra ny isan’ny medaly. 27 tamin’ny voalohany dia efa manomboka mahazo 100 izahay isaky ny misy fifaninanam-pirenena. Nanana ankizy iray isan’ireo nofantenana hanao lalaon’ny nosy izao izahay tamin’ny taon-dasa. Anjaran’ny federasionina moa ny mandamina an’iny fa ny tiana ho lazaina dia hoe miha miverina maka ny toerany ny klioba lomano ato amin’ny ESCA ankehitriny. Inoana fa mba hanana ankizy ho tafiditra anaty ekipam-pirenena afaka 2 taona na mitondra avo ny anaran’ny sekoly eo amin’ny fifaninanam-pirenena, hoy hatrany ny tenany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap