eran-tany i Tiantsoa Sarah Rakotomanga Rajaonah, teratany Malagasy mizaka ny zom-pirenena Frantsay. Izy no nandrombaka ny WTA 250 (Women's Tennis Association) natao tany Sao Paulo Brésil rehefa nandresy an'ilay indoneziana Janice Tjen (6/3;6/4) tamin'ny ny famaranana ny faran’ny herinandro lasa teo. Vao 19 taona i Tiantsoa Sarah Rakotomanga Rajaonah. Laharana faha 214 maneran-tany izy mialohan’ity fifaninanana ity ; niakatra ho ao anatin’ireo 130 voalohany maneran-tany. Tsara ihany koa no mampahatsiahy fa efa "Championne d'Occitanie 17/18 ans" izy, ary io nanoratra tantara lehibe teo amin'ny WTA io, izay fandresena lehibe voalohany amin'ny maha mpilalalao tennis matihanina azy. Voasokajy ho isan'ireo mpilalalao tennis tanora heverina fa hanana ho avy mamiratra i Sarah Tiantsoa Rakotomanga Rajaonah. Teratany Malagasy, teraka tany Antsirabe moa izy, saingy vao 6 taona no voalaza fa nandao an'i Madagasikara, mizaka ny zo-pirenena Frantsay, ary nisafidy ny hiaro ny voninahitr'i Lafrantsa mazava ho azy. Na izany aza dia zava-dehibe sy mahafinaritra ny maheno sy mahita ny fahombiazana amin'ny maha manana fihaviana Malagasy azy.
Toky R