mantsy ireo solontenantsika teo amin’ny U14 sy U16 dia i Mirija Andriantefihasina sy Mitia Voavy. Tany Harare Zumbabwe no natao ny fifaninanana, ka ilay teratany Zimbabwéen Tendekai Musabaeka no resin’i Mirija Andriantefihasina teo amin’ny famaranana tamin’ny seta 2 noho 0 (6/4 sy 6/0. Teratany Afrikanina Tatsimo dia i Dladla kosa no resiny tany amin’ny manasa-dàlana. Ho an’I Mitia Voavy, dia teratany Malagasy ihany no nifanandrina taminy tamin’ny famaranana dia i Mitondra Razafinarivo, izany hoe 100% Malagasy teto, ka resiny tamin’ny seta mazava 6/2 sy 6/4 ity mpiray tanindrazana ity. Taorian’ny fifaninana ho an’olon-tokana sy an’olon-doa, nanomboka omaly dia mandray anjara amin’ny fiadiana izay ho tompondakan’I Afrika tapany Atsimo ho an’ny ekipa ny ekipam-pirenentsika. Fifanintsanana hiakarana ho an’ny fiadiana izay ho tompondaka ho an’ny sokajy zandriny na AJC Team hatao amin’ny volana may io, ka izay ekipa iray tafavoaka ao anatin’izany no hisolo tena ny tapany Atsimon’I Afrika.
Toky R
Manomboka tafiditra tsara i Rayan Raveloson ao amin’ny BSC Young Boys
Ny alahady teo no niala teto Madagasikara ny mpanazatra vaovaon’ny ekipam-pirenena