airtel

Sport

16-avril-2024

Tatseraky Marcellin_Baolina kitra Malagasy

"Mila manamboatra any ifotony mihitsy isika"

Sample post image

Tandindonin-doza ny baolina kitra malagasy. Ambeti-tenin'i Tatseraky Marcellin izany raha tafaresaka taminay izy.

16-avril-2024

Isan'ireo irakiraka mahay tao amin'ny BTM FC sy ny ekipam-pirenena i Tatseraky Marcellin ary lasa nilalao tany Italia. Efa tsy milalao intsony moa izy izao ary mipetraka any Suisse saingy tsy tapaka manaraka ny baolina kitra malagasy sy ny Barea.
Tia Tanindrazana : Voavely kanota ny baolina kitra taorian'ny tsy fankatoavana ny Kianja Mahamasina. Misy Soson-kevitra ve ianao ny amin'izay?
Tatseraky Marcellin : "Tena ho voa mafy ny baolina kitra eto Madagasikara satria na ny klioba mandeha manao fifaninana afrikanina aza anie dia tsy maintsy mivoaka any Maorisy ny mora sy akaiky indrindra saingy dia tsy maintsy hiditra fatiantoka ka klioba izy no ahazaka izany ary na ny Barea aza."
Tia Tanindrazana : Mikasika ny Barea indrindra. Mety azo eritreretina ve ny ahatafita antsika any amin'ny Amboara eran-tany ?
T.M. : " Aleo aloha tsy manofy raha mbola izao fandehany izao. Ho sarotra ho an'ny Barea izany handresy Mali sy Ghana izany. Raha ny hevitro manokana dia mila manamboatra any ifotony mihitsy raha te ho tafavoaka. Namako i Roro na dia mpifanandrina aza izahay roalahy satria izy BFV moa izaho BTM fa raha mbola io fombany maka mpilalao any ambanin'ny diviziona faharoa any Eoropa na atsy La Réunion io dia tena sarotra. Any amin'ireo fifaninanana avo lenta dimy any Eoropa ny resaka toa ny aty Frantsa, Angletera, Espagne, Alemaina ary Italia no resaka fa raha izany Luxembourg sy Roumanie izany aloha aleo manamboatra ny eto an-tanana ary manao ny fomba rehetra hampiakarana ny ahavo teknika eto.
" Tia Tanindrazana : Azonao alalinina ve izany hevitrao izany ?
T.M. " Tsotra. Ho an'ny Barea aloha dia mila hatao matotra ny fifanaraha amin'ireo mpilalao aty Eoropa. Atao vain-dohan-draharaha mihintsy mba tsy hisy intsony ireo hampifilafila. Raha ny eto an-tanana indray dia tokony manana Akademia ny ekipa tsirairay anaty Pro League. Tsy vitan'izay ihany fa terena ireo ekipa hampijoro mpilalao roa 16 na 17 taona amin'ireo 11 eny an-kianja satria izay no lalana mitarika azy ireo any amin'ny avo lenta. Tokony jerena manokana koa ny eto an-tanàna fa raha tena mandeha tsara anie dia toy ny Bafana Bafana atsy Afrika Atsimo ka ny betsaka ao an-tananany no mandrafitra ny ekipam-pirenena.Matoa aho mantsy miresaka ireo mpilalao tanora dia efa ireo izao no malaza eran-tany. Raha Real Madrid fotsiny no resaka dia vao 20 taona anie i Jude Bellingham izay heverin'ny maro ho mpilalao mahay indrindra mety handrombaka ny Ballon d'Or. Mbola ao Madrid koa no milalao i Camavinga izay vao 21 taona sy Guler, 20 taona, na i Vinicius Tobias vao 20 taona. Raha any Barcelone indray dia misy an'i Gavi izay 20 taona ary Marc Guiu izay 18 taona na i Fermin Lopez vao 21 taona. Ireny rehetra ireny anefa dia tany amin'ny fahaenina ambifolo taonany dia efa nahazo fifanarahana amin'ny maha matihanina satria mitrandraka ny olona ary tsy hitako izay izay tsy hanaovana izany eto Madagasikara. Miresaka izao isika hoe toa lasa mafy ny 3FB Toliara fa vitsy no mahalala hoe vao 16 taona anie ilay mpiandry tsatokazo ary nivoaka avy tao amin'ny École de foot an'ny 3FB ihany."
Tia Tanindrazana : Fa inona izany tamin'ny andronareo toa nisy lasa tany Eoropa ihany ?
T.M. : " Tamin'ny androany tena natanjaka ny fanatanjahatena an-tsekoly ary namoaka mpilalao avo lenta sy matanjaka izay lasan'ireo klioba lehibe. Ny Saint Michel izao namoaka an'i Baovola, Madi ary Tsimba Kely. Tao amin'ny Sotema koa no nivoaka ry Malabary izay lasa tany amin'ny RC Lens rehefa nandalo kely tatsy La Réunion tao amin'ny Léopards Saint André. Tao La Réunion koa i Haja Maradona Ralaikera no nalain'i Martigues. Ny iraisain'ireo mpilalao ireo dia ny fifehezantena sy ny fikirizana izay tsy dia hita amin'ny mpilalao ankehitriny. Tsy azo hanaovana kinanga anefa izany avo lenta izany. Ary toe-tsaina tokony hovolena amin'ny tanorantsika izany hoe miaritra kely aloha dia omby volamena."
(Sary nindramina)
Nangonin'i Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

29-avril-2024

Mbola nahazo medaly volafotsy indray i Laura Rasoanaivo tany Le Caire nandritra ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika eo amin'ny judo.

Card image cap
29-avril-2024

Efa tsy nentina tany amin'ny Lalao Afrikanina dia izao indray tsy lasa any

Card image cap
29-avril-2024

Miova kely indray ireo Ankoay handray anjara amin'ny fiadiana ny tompondaka

Card image cap
26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap