Araka ny fanazavana nomen’ny teo anivon’ny fikarakarana tetsy Andraharo omaly dia hiainga eo amin’ny kianjan’Alarobia, izany hoe ho tontosaina eto Antananarivo, ity andiany ity fa handalo eny Ambohimangakely eny ihany koa. Io fotoana io ihany koa no hifantenana ireo ho solontena malagasy mandritry ny lalao iraisampirenena na ny Lalaon’ny nosy ho an’ireo nosy aty amin’ny ranomasimbe indianina izay ho atao eto amintsika ihany moa. Toy izao kosa ireo sokajina fifaninanana ho hita. Ho an’ny sokajy zandriny na “junior” 18 hatramin’ny 19 taona, ny zokiny na “senior” 20 taona no mihoatra, lehibe na “veterans” 35 taona. 300 isa kosa ireo atleta andrasana handray anjara ary amin’ny maha fiadiana ny tompondakan’I Madagasikara azy dia atleta manana ny mari-pahaizana sahaza na “licence” daholo anefa no mahazo mandray anjara. Ankoatra ireo dia hisy koa ny fifaninanana natokana ho an’ny ankizy na “Kids athletics” ka ankizy 8 hatramin’ny 10 taona avy amin’ireo sekoly manana toeram-panomanana matotra no raisina noho ny fahateren’ny fotoana, hoy hatrany ny mpikarakara.
J. Mirija
Voaporofo ny faran'ny herinandro teo fa tena manana mpilalao kanetibe tena mahay ny ao Betafo.
Farany vao tena nisy ventiny ny zava-bitan'ny Ankoay izay nandresy ny Frantsay tamin'ny isa 21 noho 20 omaly nandritra ny fiadiana tompondaka erantany amin'ny Basketball lalaovin'olona 3 any Vienne Autriche.
Nivoaka ny fahanginany i Roro Rakotondrabe taorian'ny nanendrena azy ho mpanazatran'ny Barea A. Voninahitra an-tsobika izany ka tsy azo atao am-patambary raha ny nambarany.
Miditra amin'ny andro faharoa ny fiadiana ny ho tompondaka eran-tany eo amin'ny basket 3x3 tontosaina any Vienne Autriche. Hihaona amin'ny Brezila indray ry Elly sy ny namany anio amin'ny 7 ora sy 40 mn.