no misy azy ary azo lazaina fa betsaka ny fanantenana satria nandresy 2 noho 1 ny Cameroun isika Io faharesana iray io aza dia tany amin'ny tie break vao resy i Mitia Voavy nanoloana an'i Karine Marion Job. Lasany ny seta voalohany (6/3) saingy tonga dia novalian'i Mitia tamin'io isa koa ny seta faharoa. I Mialy Ranaivo indray dia nandresy mazava an',i Linda Claire Eloundo Nga tamin'ny seta roa mazava (6/2 ; 6/4). Teo amin'ny olon-droa kosa na nandahatra an'i Karine Marion Job ilay laharana voalohany anatin'ity ekipa ity niaraka tamin'i Venus Miranda Ngome Hagal aza ny Cameroun dia nataon'i Narindra Ranaivo sy Harena Voavindraina nahita faisana. Nitarika tamin'ny isa ka nahazo ny seta voalohany anefa ny Cameroun saingy nalain' ny Malagasy ny seta roa avy (6/3 ; 6/2). Tsara hatreto ny ataon'ny Malagasy sy ny mpanazatra Jean Marc Andriamanalina. Ho hita eo ny tohiny satria hihaona amin'ny Lesotho tompontany isika anio.
Clément RABARY
Resy nanaoloana an’i Bayern Munich tamin’ny famaranan’ny «Ligue des champions »
Vory lanona teny amin’ny EKAR Analamahitsy ny 31 may teo ny fianakaviamben'ny
Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,