Lalao Olimpika ilay ho tontosaina any Paris. Tody tany amin'ny famaranana ny lalao fiadiana toerana tany Kigali mantsy i Fabio Rakotoarimanana raha nandresy ilay Tonizianina Wassim Essid teo amin'ny manasa-dalana. Seta 4 noho 3 (13/11 ; 8/11; 11/8 ; 9/11 ; 12/10 ; 4/11 ; 11/9) no nibatany ny fandresena. Efa tena mpilalao avo lenta ity Fabio Rakotoarimanana ity satria efa tompondakan'i Frantsa fony izy sokajy Cadet. Tany rahateo izy no niofana fa nandray fotsiny ihany ny federasiona. Efa nanomboka nantsoin'ny federasiona notarihin'i Herley Ambinintsoarivelo izy tamin'ny taona lasa ary efa tompondakan'ny Afrika teo amin'ny olon-droa miaraka izy sy Antoine Razafinarivo.
Clément RABARY
Tapitra anio ny fitsirihan’ireo teknisianina roa avy amin’ny CAF sy avy amin’ny FIFA,
Tsy kaomorianina aho, hoy ny vodilaharan’ny Angers SCO, klioban’ny baolina kitra frantsay, Lilian Raolisoa,