airtel

Sport

12-févr-2024

Thai league

Tsara fiditra ry Amada sy Njiva

Sample post image

Fandresena 0 noho 1 an-tanin’olona avy hatrany nanoloana an’i Nakhon Pathom United

12-févr-2024

no azon’ny Ratchaburi FC nandritry ny fanombohana ny tompondakan’i Thailand eo amin’ny taranja baolina kitra ho an’ity taona ity na ny Thai league 2023-2024, raha ny voka-dalao voaray ny faran’ny herinandro teo. Tsara fiditra, araka izany, ireo mpilalao malagasy ao amin’ny Ratchaburi football club dia ny lohalaharana, Njiva Rakotoharimalala, sy, indrindra, Ibrahim Amada, izay eo afovoanin’ny kianja, izay niatrika ny lalao voalohany niarahany amin’ity klioba sangany divizionina voalohany ao an-toerana ity. Isan’ireo 11 voalohany najoron’ny mpanazatra moa ity kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasy na ny Barea teo aloha ity. I Njiva kosa mbola tsy afaka nilalao noho ny ratra nahazo azy, izay ahiana haharitra andro maromaro mihitsy. Mirary soa azy mirahalahy hatrany na izany na tsy izany.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap