tia tanindrazana

Parution du Jeudi, 8 Juin 2023

airtel

Sport

Tiana Ratsimbazafy "Ho sarotra raha tsy misy ireo mpilalao avy any ivelany"

Andrarezin'ny tenisy ambony latabatra raha i Tiana Ratsimbazafy, ary fa impoli Kely izy no tompon-dakan'i Madagasikara.

16-févr-2023

Sample post image

Ny teny mampiaiky volana dia azony daholo ny fifaninana rehetra hatrany amin'iny be antitra ka hstrany amin'ny olon-droa miaraka vavy sy lahy. Tena mafy raha i Tiana Ratsimbazafy ary izy no vahinin'ny Tia Tanindrazana anio hiresaka momba ny Lalaon'ny Nosy.

Tia Tanindrazana : Aiza ho aiza ny fanomanana ny Lalaon'ny Nosy ho an'ny tenisy ambony latabatra ?
Tiana Ratsimbazafy:" Efa nanana programa maty paika ny federasiana Ary isan'izany ny fandefasana ireo tanora hiofana mandritry ny efa-bolana any amin'ny Sinoa Mino aho fa hiakatra ny haavo teknikan' izy ireo miverina avy any indrindra ho an'ny lehilahy".
TT : Ary ny vehivavy ve mba efa misy mandimby anao ?
T.R. : "Efa misy manangasanga ihany fa io moa miankina anton'ny fanomanana ihany. Ho mafimafy anefa satria n'y nosy hafa efa betsaka no manomantena any ivelany.".
TT Raha izany dia mety tsy ahazo medaly Indray isika.
T.R.: "Aiza kosa e. Eto amintsika anie ny Lalao no hatao e. Na izany aza ho sarotra raha tsy misy ireo mpilalao avy any ivelany. Henoka fa hamafatra any ireo n'y federasiona Ary isan'izany i Jonathan Nativel izay efa tsy zoviana intsony fa efa tany amin'ny Lalao Afrikanina farany teo niaraka tamin-dry Setra, Lino ary Takko.. Mino aho fa afaka mampijoro ekipa tsara isika indrindra fa manohana ny fanjakana."
Nangonin'i Clément RABARY

 

Dans la même rubrique

Card image cap
Hetsika Moto show Tranoheva miisa 60 eo no hampiranty tontolon’ny kodiaran-droa
08-juin-2023

Ho tontosaina ny 9, 10, 11 jona izao eny amin’ny CCI Ivato ny hetsika fampiratiana goavana momba ny kodiaran-droa na «Moto show».

Card image cap
Ibrahim Amada «Mety mbola ho tafiditra anaty lisitra»
08-juin-2023

Nanazava ny antony nahitana ny kapitenin’ny ekipam-pirenena malagasin’ny baolina kitra na Barea farany teo, Ibrahim Amada,

Card image cap
Barea U23 Mandray anjara amin'ny fifaninanana any Mantes la Ville
08-juin-2023

Ny hananan'i Madagadikara mpandimby tena havanana ireo Barea no mbola himatimatesan'ny UFICASM miaraka amin'ny fikambanana Madas.

Card image cap
Tennis- Amboara Billie Jean King Nandresy an’i Sénégal i Madagasikara
08-juin-2023

Mbola mitohy ny fampisehoana ataon'ireo tovovavy mpilalao tennis any Kigali mandritry ny fiadiana ny Amboara Billie Jean King Izay Sokajy faha IV.

Card image cap
Adina ara-panatanjahantena bakalorea Am-polony ireo tovovavy hita fa bevohoka tany Atsimo Andrefana
07-juin-2023

Fotoana hahatrarana ny tovovavy iray mitoe-jaza ny fanaovany fanetseham-batana mafy loatra toy ny fanaovana fanatanjahantena.

Card image cap
Barea Fady ny mampiasa ireo latsaky ny 19 taona ?
07-juin-2023

Efa fanandramana ny hanamboarana ny ho avy ve dia tsy mbola miantso ireo taninketsa tena mamiratra ?

Voir plus