Vontovorona raha nanontaniana ny ho mety ho vokatra azon'ny anio ity mpanazatra ny ekipa lehilahy ity. Matotra ny fanazaran-tena tamin'ity indray mitoraka ity ka efa tena tsara ny ankizy hoy ihany i Tillo. Eo amin'ny lehilahy izay tantanany dia manana tombony izy satria dia mpilalao avy any Toliara ny 80 isan-jatony izay efa zatra miaraka la mifankahita any anaty ady. Misy ireo efa zatra lalaon'ny iraisam-pirenena toa an'i Falisoa sy Francky. Raha eo amin'ny vehivavy dia efa nandresy an'' i Seychelles ny andro voalohany. Avy eo dia nandresy Maorisy Ary omaly Dia nomontsanin'i Judith sy ny namany ry Comores. Hentitra toy ny mahazatra azy rahateo ny mpanazatra Seth Ramiandrasoa ka tena mifantoka ny ankizy. Ny tombatombana aloha na ho an'ny lehilahy na vehivavy dia ny famaranana hihaonana amin'i La Réunion.
Clément RABARY
Nahazo aina kely indray aloha ny baolina kitra Malagasy noho ny vokatra tsara azon’ny Barea A
Azo lazaina ho mafimafy ihany ireto andro 2 manaraka ho atrehintsika anio sy ny 24 martsa