Ny 6 sy 7 mey izao no hiatrika ny fifanintsanana ho an’ny tompondaka erantany eo amin’ny taranja Basketball lalaovin’olona 3, sokajy vehivavy, ny ekipam-pirenena Malagasy na Ankoay. Atao any Eilat, Israely, moa izany. Hiatrika ny tompondaka erantany 2023, eo amin’ity taranja ity ary lalaovin’olona 3 hatrany koa ny sokajy lehilahy. Ho an’ny latsaky ny 19 taona hatrany moa eto no resaka, raha ny fanazavana hatrany, ary dia miantso ny rehetra hanohana ny ekipam-pirenena sahady ny federasionina miandraikitra ity taranja ity na ny FMBB ao anatin’izao fanomanan-tena tanteraka ataon’ireo mpilalao malagasy izao.
J. Mirija
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny