airtel

Sport

08-nov-2021

Sport

Tompondakan’- Afrika - Boxe Thaï Miantso tolo-tanana i Miora sy Faza

Sample post image

Ny 11 hatramin’ny 16 novambra izao no ho tanterahana atsy Hurgada, Egypta, ny dingana famaranan’ny tompondakan’I Afrika eo amin’ny taranja haiady Boxe Thaï.

08-nov-2021

 Manana solontena miisa 2, sokajy lahy sy vavy hisolontena azy amin’izany fifaninanana iraisampirenena izany isika Malagasy dia I Miora Tiana Andriamiharisoa na Miora, izay efa avy tompondaka tamin’ny “Mon K1 Rules” sy tompondakan’I Afrika teo amin’ny taranja “Full contact”, sokajy vehivavy. Elfazar Fazaraly Razanajatovo kosa na I Faza no solontenantsika ho an’ny sokajy lehilahy. Efa tompondaka lefitra eran-tany teo amin’ny MAS Fight izy ary efa tompondakan’ny Lumpinee stadium. Ankehitriny dia manao antsoavo amin’ny Malagasy rehetra izy ireo mba hanome izay foy ho entiny miatrika ity fifaninanana lehibe ity. Tranga tsy vaovao teo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena Malagasy ny toy izao ary mampametra-panontaniana lalina hoe tsy mba menatra ve ireo tomponandraiki-panjakana nifandimby sy ny ao amin’ny minisiteran’ny fanatanjahantena ao satria na inona na inona taranja dia saika antony tsy maha tafainga ireo solontenantsika hiatrika ireo lalao iraisampirenena misy hatrany izay resaka tsy fahampian’ny enti-manana izay? Ny fahafahana mandray anjara amina fifaninanana iraisampirenena toy izao anefa no marika voalohany fa miasa ny mpitantana, indrindra, raha fanatanjahantena no resaka ary io ihany koa no mba hahafahan’ireo atleta mahita lalana hivoarany kokoa eo amin’ny sehatra misy azy sy hahafahany mitondra vokatra tsara ho an’ny fireneny.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

19-avril-2024

Inona no mahazo ny tsipy kanetibe no toa tsy mbola isan'ireo taranja hifaninana amin'ny Lalao Olaimpika

Card image cap
19-avril-2024

Lesona be nomen'ny FIFA ny nanomezany sazy henjana ny mpitsaran'ny lalao nihaonan'ny Barça sy PSG nandritra ny Ligue des Champions.

Card image cap
18-avril-2024

Voadingan’ilay frantsay vao 21 taona, Etienne Camara,

Card image cap