Raoily izay resin'ireo Tonizianina, Ahmed Darmoul sy Anas Ben Youssef, tamin'ny seta 2 noho 0 (6/2 ; 6/2). Famaranana izay natao omaly tany Lomé ary niady ihany tsy arakaraky ny havesatry ny tarehy marika satria matetika no tonga 40-40 fa eo amin'ny famaranana no mamotsitra ny Malagasy. Maro anefa no nihemotra fa lasan'i Mirija sy Mahery ny amboara taorian'ny namotsanany ireo avy any Mali, Tiekero Sow sy Abdoul Karim Coulibaly teo amin'ny manasa-dalana (7/6 ; 6/3) . Tena niakatra ny ahavo teknika ny tennis afrikanina raha oharina amin'ny tamin'ny efa-taona farany hoy Dina Razafimahatratra mpanazatra. Mendri-piderana i Mirija sy Mahery tonga tany amin'ny famaranana ary voaporofo izao fa efa misy ny zaza handimby. Mila atao matotra fotsiny hoy i Dina izay mipetraka any Libreville ny fiara-miasa amin'ny rehetra satria mahatoky izy fa voafehin'ny Tale Teknika Nasionaly Max Randriantefy ny eto an-tanana.
Clément RABARY
Tontosa ny alin’ny talata teo tao amin’ny kianjan’i Abbé-Deschamps,