Toy izao no vokatra voaray nandritra ireo lalao natao tetsy amin’ny kianja Ambohidratrimo. Nivoaka mpandresy tamin’ny isa 1 noho 0 ny COSPN tao aorian’ny fanalavam-potoana nanoloana ny ekipan’ny JFFA. Ny AS Sainte Anne nandavo ny TFC na Tana formation 2 noho 0 ka dia isan’ny hiady ny ¼-dalana koa araka izany. Baolina tafidtr’i Mick teo amin’ny minitra faha 30 ary nampian’i Datsiky na i Rasta teo amin’ny minitra faha 65. Nandresy tamin’ny tsotsoromamba na «tire au but» kosa ny Bayern rehefa nisaraka 3 noho 3 nanoloana ny US Pro nandritry ny fizaram-potoana ara-dalàna. Nandresy 1 noho 0 ny Requin bleu ny FC Rouge, raha ny fampitam-baovao sy vokatra voaray hatrany hatreto.
J. Mirija
Isan’ireo nasaina hifaninana nanomboka tamin’ity COSAFA Cup 2025 ity ny