airtel

Sport

29-août-2022

Sport

Tompondakan’I Afrika - Hand Ball Nanainga ny sabotsy teo ny Akio

Sample post image

Nanainga ny sabotsy teo hihazo an’I Kigali, Rwanda ny Akio na ny ekipam-pirenena malagasin’ny Handball latsaky ny 18 taona na U-18.

29-août-2022

Hiatrika ny fiadiana ny tompondakan'i Afrika nanomboka iny 27 aogositra iny hatramin’ny 6 septambra izao moa no anton-dia. Ny toetoetra mampiavaka ny Akio na atsantsa ka mahatonga azy ho biby tena atahorana any anaty ranomasina no ilaina amin'ny handball, hoy ny fanazavana tetsy amin’ny Havana Resort Ambohidahy, nandritrin’ny tafa an-gazety nataon’izy ireo farany nialoha izao fihaingana izao. Izay no anton'ny safidy tamin'io anarana io, hoy ny federasionina malagasin’ny Hand Ball. Vonona hanandratra avo ny voninahim-pirenena ihany koa ny Akio U18, hoy ireo mpilalao. Minisitra miisa 2 dia ny minisitry ny angovo sy ny akoran’afo sy ny minisitry ny jono kosa no minisitra mpiahy ireto maherifon’ny firenena ireto.
J. Mirija
 

Dans la même rubrique

14-févr-2025

Tapitra anio ny fitsirihan’ireo teknisianina roa avy amin’ny CAF sy avy amin’ny FIFA,

Card image cap
13-févr-2025

Tsy kaomorianina aho, hoy ny vodilaharan’ny Angers SCO, klioban’ny baolina kitra frantsay, Lilian Raolisoa,

Card image cap