airtel

Sport

17-mai-2024

TROPHEE DE CHOC MUAY THAÏ

Hatao etsy etsy Mahamasina ny 14 jona ny andiany faha-4

Sample post image

Hotanterahina ny Zoma 14 Jona ho avy izao etsy amin’ny lapan’ny kolontsaina sy ny fanatanjahantena etsy

17-mai-2024

Mahamasina ilay hetsika Trophee de choc andiany faha-4 izay eo ambany fiahian’ny Federasiona Malagasy Muay Thai ary karakarain'ny klioba GISL. Hampivondrona ny NakMuay tsara indrindra an’i Madagasikara, Maorisy, Mayotte ary La Réunion ity hetsika ity. Hahazoana fehin-kibo roa kosa ny fifaninana AFSO PRO malaza toy ny fehin-kibo Intercontinental Light Middleweight sy ny fehin-kibo ranomasimbe Indianina Hizara telo ny amboara Choc World Cola sokajy miady, raha ny fanazavana azo omaly. Lohalaharana ny ady vonjimaika (Amatiora) izay hifaninanan’ireo mpianatry ny klioba GISL. Ireo amatiora, matetika vao manomboka na manana traikefa fifaninanana kely, hanana ny fahafahana maneho ny talentany sy ny fitiavany ho an'ny Muay Thai. Faharoa ny ady semi-matihanina (Ekipa nasionaly). Ireo ekipam-pirenena izay ho voafidy nandritra ny fiadiana ny ho tompondaka no handray anjara amin’izany raha mbola hanohy ireo ady ireo i Madagasikara. Fahatelo sady farany dia ny ady lehibe. Ny matihanina, manana traikefa lehibe sy fahombiazana maro tamin'ny fifaninanana no hifandona amin’ny ady isan’ny nisongadina tamin’ity hetsika ity toa an’i Elfazar Fazaraly atleta eto Madagasikara ary Jhonny Gauvin avy atsy La Reunion. Tsiahivina moa fa ny Federasiona iraisam-pirenena Muay Thai dia fanatanjahantena fehezin’ny federasiona maro iraisam-pirenena. Samy manana ny fitsipika sy tanjona manokana izy ireo. Mikasika ny Federasiona Muay Thai amatiora iraisam-pirenena (IFMA) indray dia fikambanana eran-tany eken’ny Komity Olaimpika Iraisam-pirenena (IOC), natokana ho an’ny amatiora Muay Thai izy. Ny World Muaythai Council (WMC) indray dia fikambanana manasazy ny hetsika Muay Thai matihanina amin'ny sehatra maneran-tany.
Pati
Legende : Nandritra ny tafa nataon’ireo mpikarakara tamin’ny mpanao gazety omaly !
 

Dans la même rubrique

25-juil-2024

Rahampitso no hanao ny lalao fanokafana ny Lalao Olaimpika 2024 any Paris.

Card image cap
25-juil-2024

Raha rahampitso ny lanonana ofisialy hanokafana ny lalao olaimpika na JO 2024 tanterahana any Paris,

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao mahafaly ny fiverenan'i Kendji Van Boto milalao indray taorian'ny ratra nahazo azy.

Card image cap
24-juil-2024

Vaovao tsara ho an'ny basketball malagasy ny fifindran'i Mathias M'Madi

Card image cap