airtel

Sport

21-mars-2023

Sport

Tsipy kanetibe Afaka ny sazin'ny Malagasy !

Sample post image

Tsy voasazy intsony ny kanetibe malagasy ary afaka mandray anjara eo amin'ny sehatra iraisam-pirenena raha ny nambaran'ny filohan'ny federasiona, Amir Andriamilerovason.

21-mars-2023

Tsy nisy fanazavana anefa fa dia hoe afaka fotsiny ny fatorana. Azo adika ve izany fa voaloha ny volan'i Dollys Randriamarohaja izay nuantohany ny delegasiona vehivavy sy juniors tany Cambodge ary ny lehilahy tany Lomé. Raha hiverenana mantsy ny tantara dia ny tsy fandoavana io trosa io no nahatezitra an'i Claude Azéma, filohaby Federasiona iraisam-pirenena. Raha tsorina dia ny tsy fanajana ny teny nomen'ny Tale Jeneralin'ny Fanantanjahantena Rosa Rakotozafy bo tena tao ambadika. Mbola eo amin'io toerana io moa ity ramatoa ity ka mety efa nilamina ny resaka satria tonga hatrany ambony ilay izy rehefa voalaza fa tsy mahazo mandray anjara amin'ny Lalaon'ny Nosy i Madagasikara. Ity taranja ity anefa dia mety handrombaka manontolo ireo volamena sivy hifaninanana. Izany hoe tena manan-danja lehibe ho antsika Malagasy ny kanetibe. Afaka mieritreritra ny fifantenana ireo mpilalao handrafitra ny ekipam-pirenena amin'izay izany ny FSBM ary atao anatra iny zava- nitranga iny satria dia tsy takona afenina ny tsy fitiavan'i Azéma ireo mpitantana teo aloha tamin'izy mbola FMP.
Clément RABARY
 

Dans la même rubrique

26-avril-2024

Hetsika ara-panatanjahantena fanao isan-taona natao hampiray ireo mpisehatra amin’ny

Card image cap
26-avril-2024

Azo lazaina ho mametraka ny traikefany tanteraka amin’izao fotoana ilay irakiraka

Card image cap
25-avril-2024

Fanapahan-kevitra maromaro no noraisina sy nankatoavin'ny ny Filan-kevitry ny Minisitra omaly ho an’ny lafiny fanatanjahantena.

Card image cap
25-avril-2024

Vahiny mangan'ny ligin'ny baolina kitra ny Diana i Arsène Malabary.

Card image cap
25-avril-2024

Banga iray indray ny lomano malagasy. Norimandry omaly ny Kolonely Jaovanona

Card image cap