airtel

Sport

11-avril-2024

Tsipy kanetibe_Amboaran’I Madagasikara

Zazavao ny ankamaroan’ny mpandresy

Sample post image

Mandroso ve ny tsipy kanetibe sa ireo noheverina efa sangany no tsy afaka intsony fa dia

11-avril-2024

azo lazaina ho olom-baovao ireo nibata ny Amboaran'i Madagasikara tany Antsirabe ny alahady teo ? Tena saika tsy nisy fantatra ireo nandresy fa dia misy izao vao fantatra ny anarany indrindra teo amin'ny vehivavy. Ny ekipan'ny UBM no nandrombaka ny fandresena ary nahitana an'izy mirahavavy, Herinivo sy Herifenitra niampy an'i Tahiana. Resiny teo amin'ny famaranana 13 noho 12 ny ekipan'ny BIC Ambohimahasoa nahitana an'i Tense, Cael ary Mihaja. Nanarina ny fahavooazany anefa ny BIC teo amin'ny zokiolona satria izy samy izy no nanao ny famaranana ary mazava hoa azy fa nozaraina ny vola.Radany Toliara sy Ralay ary Andry no nifandona tamin'i Donné, Mamy ary Lola. Teo amin'ny juniors indray dia mbola noporofoin'ny PAC ny mahamafy azy. Nataon'i Jo, Finaritra ary Eliot tsy nisotro rano (13 noho 3) ny Besady Plus nahitana an'i Mampandry, Sitraka ary Fenosoa. Tsy niady kosa ny famaranana teo amin'ny lehilahy satria nataon'Ambohitrimanjaka UBM tsy nitoko ny ABMI Ivato Tsy nisy dinika satria nanipy voalohany i Hery Morondava ary izay kanety mipetraka dia nataon'i Donald sy Jeannie fahirano. Anarana sisa ny an'i Baloti, Havana ary Ramirez fa lasan-dry zalahy ny entana. Raha mivaha aza moa ny "gaine" dia mety misolo-tena an'i Madagasikara any amin'ny fiadiana izay ho tompondakan'i Afrika ity ekipa an'Ambohitrimanjaka ity. Any angamba ry Donald mba mety manorina Tanana Vaovao rehefa tsy nety ilay saika hataon'ny fitondrany teny. Azo lazaina fa fahombiazana tanteraka no azon'ny FSBM satria na ny kianja teny alohan'ny Gara Antsirabe na ny fandaminana dia samy tsy nisy nokianina. Mpilalao kanetibe koa moa ny Ben'ny Tanana ao Antsirabe ka tena nahazo izay nilainy ny FSBM. Izany no tena hoe izay danin'ny kibony . Ny mpandray anjara rahateo nanao tsy omby aloha satria nahatratra 1723 ireo nanavao kara-,pilalaovana ary nisy olon-telo miaraka 306 no tonga.Raha izao no mbola lazain'i Claude Azéma, ilay Filohan'ny federasiona iraisam-pirenena, dia mety efa zavatra hafa mihintsy.Izy rahateo no nametraka ny filoha Adrien Andrianirina eo amin'ny toerana vonjy maika io.
Clément RABARY
Légende : Légende : Ny ekipa avy eny Ambohitrimanjaka no nibata ny Amboara teo amin'ny lehilahy sy vehivavy
 

Dans la même rubrique

15-mai-2024

Very aho 77 tapitrisa Dolara, hoy ireo mpitia baolina kitra malagasy manoloana ity

Card image cap